4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Neny - Ny Ainga

NENY  

1-    Ny fiainanao indray ry Neny

      No ampanakoina ho tsaroina

      Raha sendra mitaraina

      Fa feno alahelo

      Manambitamby ianao

      Rah any feonao no miantso

      Dia zary mampitony

      Ny fo, ny ranomaso



Refrain: Fa anarana tsy foiko

         Ary fiainana tsy ho tsaroako

         Ny tantaranao ry Neny

         Ry Neny ô, ry Neniko ou ou!

         Ry Neny ô ry Neniko



2- Zovy moa no tsy hijery

      Reo fihafianao ry Neny

      Na i Dada aza moa

      Dia mbola mitady

      Ny safosafonao

      Tsapako fa miady irery

      Raha tojo dritram-bady

      Noho ny hatsoranao





3- Omeo azy re ry Tompo

      Reo zato heny avy aminao

      Ka ho saotra hatolotra azy

      Fa sarobidy loatra

      Izay niaretany

      Ary ny fahendrenay

      No zary hafaliany

      Hanenika ny fony

      Be fitia ianao ry Neny

      Ka matetika misotro

      ‘lay rano tsy tiana



(PATTY)

Partager neny

Commenter neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite